Hiakatra ho Pro

Fitsipika

Fitsipika mihatra eto amin’ny Bararata

 

Tongasoa eto amin’ny Bararata, ny Bararata dia tranokala iray ahafahanao mifandray amin’ny namanao, hampivelatra ny fahalalana, ary hampiala voly.
Ny Bararata hita amin’ny adiresy bararata.com, ny Application Bararata: dia manana tanjona ny hanatsara sy hampivelatra ny fahalalan’ny tsirairay, hanampy ny hafa, ary tsy mitanila.


Hitanao eto ny mahakasika ny Fenitra Fiarovana anao

Ny mpandrindra ny Bararata dia nametraka ireto Fitsipika manaraka ireto. Ny Bararata dia tsy miankina amin'ny fanjakana, ary tsy mitanila, fa: Rehefa mampiasa ny Bararata ianao dia manaiky ihany koa fa hanaja sy hanaraka ny lalana manankery eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’ny Madagasikara.

 

1 - Mahakasika ny Fitsipika

1.1. Bararata hita amin’ny adiresy bararata.com dia tranokala miasa amin’ny aterineto, ny zavatra  rehetra hiandraiketan’ny Bararata dia niomerika avokoa. Ny mombamomba ireo mpikambana, ny sary, ny sarimihetsika dia voatahiry amin’ny serveur voaaro tanteraka, ary mipetraka ho fananan’i Bararata. Ny serveur dia mitoetra ivelan’I Madagasikara. Ny mpandrindra ny Bararata irery ihany no afaka mijery ireo.


1.2. Ny fitsipika dia nampetraka mba hahatonga ny mpikambana Bararata ho mitovy ary tsy mitanila amin’ny mpikambana rehetra. Indrindra ho tonga amin’ny tanjona kendrena dia ny hampivelatra ny sehatry ny Informatika eto Madagasikara.

1.3. Ny mpikambana, alohan’ny hiditra eto amin’ny Bararata dia manaiky fa hanaja ireo fitsipika rehetra misy eto amin’ny Bararata, ary manaiky fa efa namaky ireo fitsipika rehetra misy eto amin’ny Bararata. Ny mpandrindra dia manana Zo feno hanova ny fitsipika mihatra amin’ny fotoana rehetra, ary manaiky izany fanovana izany ny mpikambana rehetra. Misy fanambarana izany eo amin’ny Pejin’ny Bararata.

 

2 - Mahakasika ny lalana

2.1 Amin’ny maha tranokalam-pifandraisana miasa eto Madagasikara, ny Bararata dia manaraka ny lalana manankery rehetra eto Madagasikara, ary mampihatra izany. Ny fangatahina ny tsy fanarahan-dalana hita rehetra dia azo alefa any amin’ny [email protected] .
Ny Bararata dia mety tsy mahita ireo tsy mety rehetra miseho sy mitranga ara-potoana eto amin’ny Bararata, noho izany, ny mpikambana dia hasaina hitatitra na hitoroka mba ahitan’ny mpandrindra ny Bararata izany ka handraisany fanampaha-kevitra.

 2.2 Ny anarana Bararata dia marika tsy azo ampiasaina raha tsy nahazoana alalana manokana, na ny logo, na ny anarana, na ny adiresy domaine. Manana zo feno ny Bararata hitazona ny anarana sy hiaro izany.


3 - Mahakasika ny mpikambana

3.1 Ny fidirana mpikambana dia maimaipoana ary ny an-tsitrapo tsy misy faneriterena. Ny hoe miditra mpikambana dia midika fa manaiky fa hanaja ny lamina sy fipitsika rehetra mihatra eto amin’ny Bararata. 

3.2. Ny mpikambana rehetra dia manaiky fa manana fahafahana manokana ary ampy tsara ireo fepetra rehetra, toy ny taona ary nahazo alalana avy amin’ny raiaman-dreny ho an’ireo izay latsaky ny 18 taona. Ny raiaman-dreny no tompon’andraikitra feno amin’ny zanany mpikambana.

3.3. Rehefa miditra mpikambana dia takiana ny mombamomba anao marina rehetra izay miasa amin’ny kaotinao, miaraka amin’ny Solon’anarana tokana ho anao irery ihany, ny tenimiafina: Voakasik’izany na ny kaotiny manokana na ny pejy. Mety misy zavatra hafa takiana aminao toy ny adiresy mailaka, ny laharana finday. Mba ahatonga ny Bararata ho fifandraisana modely dia tsy ekena ato amin’ny Bararata ny kaonty tsy tena izy.

3.4. Manaiky ny mpikambana fa ny mombamomba alefa eto dia marina ary manaraka ny lalana manan-kery.

3.5. Rehefa vita ny fidirana ho mpikambana izay misy tao amin’ny teboka 3.3 dia raha hameno ny fidirana amin’ny fiarovana ny kaonty amin’ny alalana SMS dia manaiky ny mpikambana fa hampiditra ny laharana finday marina sy mandeha ary azy manokana ao amin’ny kaontiny Bararata.
Raha toa ka Marika hafa tsy nahazoana alalana no hidirana ho mpikambana, na famoronana pejy, na kaonty tsy tena izy, na anaran’olona hafa dia mana-jo feno ny Bararata hampiato sy hamafa izany kaonty izany tsy misy fampilazana ilay mpikambana.

3.6. Ny mpikambana rehetra dia manaiky hanaja ny lalana manan-kery rehetra, ary manaiky fa handray ireo mailaka sy SMS avy amin’ny Bararata raha misy ilaina izany. Raha tsy manaiky izany izy dia raisina toy ny tsy mpikambana ato amin’ny Bararata.

3.7. Rehefa tafiditra ho mpikambana ny olona iray dia ny Bararata no mandrindra ny mpikambana amin’ny fanajana ireto fitsipika ireto.

3.8. Ny mpikambana rehetra dia manaiky fa ho tehirizina ny mombamomba azy (Donnee peronnel) ary mety hampiasaina amin’ny Dokambarotra eto amin’ny Bararata. Ny Dokambarotra dia anisany fidiram-bolan’ny Bararata izay mahatonga ny tranokala ho velona sy miasa. Ny Bararata kosa no miaro ireo mombamomban’ny mpikambana mba tsy hamoaka izany ivelan’ny Bararata. Kanefa, raha misy ilain’ny Fanjakana mahefa dia ny Bararata dia manana zo hanome na tsia ireo mombamomban’ny mpikambana izay ao aminy.

3.9. Ny Solon’anarana sy ny tenimiafina izay safidian’ny mpikambana no fidirana amin’ny kaotiny. Tsy mpikambana dia tsy manana Zo hanome na hamindra izany amin’ny hafa, na koa any amin’ny serasera hafa. Ialanay tanteraka ny andraikitra raha toy manao izany ny mpikambana. Ny mpikambana dia manaiky ny fampiasana ny “Cookies” izay mahatonga anao hiditra tsy mila tenimiafina rehefa avy niditra teo amin’ilay solosaina na Application iny ianao teo aloha.

 

4 Sehatry ny mpikambana

4.1. Raha tsikaritry ny Bararata fa misy zavatra tsy ara-dalana miasa amin’ny kaontiny, toy ny tenimiafina niova, adiresy mailaka niova, kaonty niova dia hasaina ny mpikamba hifandray mivantana amin’ny Bararata. Misy ireo fanamarinana hapetran’ny Bararata mba hamerenana izany amin’ny laoniny. Ny ny fandefasana fanairana aty amin’ny Bararata dia midika fa ianao ihany no tompon’andraikitra amin’izany.

4.2. Amin’ny maha tompon’andraikitra feno ny mpikambana ny Bararata, ny mpikambana dia manaiky fa izy tenany ihany no tompon’andraikitra amin’ny zavatra apetrany: toy ny seho, ny sary, ny sarimihetsika, ny hetsika, ny varotra, ny fanampiana, ny feo, ny dokam-barotra, ny fakan-kevitra, sns… mihatra izany na any amin’ny kaonty, na amin’ny pejy, na amin’ny vondrona, na amin’ny dinika, na any amin’ny fanehoan-kevitra…

4.3. Ny zavatra haseho rehetra dia ny mpikambana maneho izany no tompon’andraikitra amin’ny fahamarinan’izany. Tsy azo ekena ny tsaho sy ireo zavatra rehetra tsy nahazoana alalana eto amin’ny Bararata.

4.4. Ny Dokambarotra dia miseho eny amin’ny toerana maro voatokana amin’ny izany. Misy vidiny nampetraka ary misy fenitra takiana vao afaka manao dokam-barotra ny olona na ny pejy iray. Ny mpanao dokambarotra no misafidy ny fotoana sy ny toerana hanaovany.
Ny Bararata dia manana zo feno hampiato na hamafa tanteraka ny dokambarotra izay tsy manaraka ny fenitra na koa dokambarotra tsy marina. Mety hitarika amin’ny fampiatoana ny kaonty izany.

4.5. Ny Mpikambana Pro dia manana zo hafa mihoatran’ny mpikambana tsotra. Misy ireo vidiny takiana sy fenitra takiana mba ahatongavana ho mpikambana Pro

4.6. Ny isa dia isa azon’ny rehetra atao, mitovy ho an’ny mpikambana rehetra miankina amin’ny fampiasan’ny Bararata. Azony avadika ao amin’ny tahirim-bola izany ka hanaovana Dokambarotra sy hividianana tolotra ato amin’ny Bararata, saingy tsy azo avadika vola mivaingana kosa.
Ny fampiasana ny kaonty ho fanenjehina isa fotsiny, sy fampiasana zavatra ahazoana isa tsy marina dia mety mahatonga ny kaonty ho voahidy, ary mety ho voafafa mihitsy aza.

4.7. Ny Tahirim-bola dia azo avy amin’ny vola nampidirina, avy amin’ny isa, avy amin’ny tohy. Ampiasaina hanaovana Dokambarotra sy hividianana tolotra ato amin’ny Bararata; ary tsy azo avadika vola taratasy ny tahirim-bola.
Ny Tahirim-bola dia azo hafindra any amin’ny mpikambana Bararata hafa.

4.8. Ny fanampiana dia mpandrindra Bararata ihany no afaka manangona fanampiana. Ny rehetra dia afaka mangataka fanampiana fa ny mpandrindra ny Bararata no mandefa izany, ary manamarina ilay anton’ny hangatahina fanampiana. Ny mpikambana rehetra dia afaka manome fanampiana avy amin’ny volany ao amin’ny tahirim-bola. Ny vola rehetra azo amin’ny fanampiana dia tonga mivantana any amin’ilay olona ho ampiana, mety misy ny “Frais” miala amin’izany.

4.9. Ny tohy (Affialition) dia ireo izay nasainao hiditra ho mpikambana tamin’ny alalain’ny kaody fanasana nomenao azy ireo, mety mahazo isa ianao amin’izany.

4.10. Ny mpikambana dia afaka manova ny mombamomba azy ao amin’ny voatry ny kaonty. Azony Alaina koa izany amin’ny fotoana rehetra. Azony atao koa ny manova ny Fiarovana ny kaotiny amin’ny fotoana rehetra.

4.11. Ny mpikambana na pejy malaza dia afaka mangataka: Medaly Voamarina (Badge verification) amin’ny Bararata. Ny Bararata dia mitaky ny mombamomba ny mpangataka feno, isan’izany ny kara-panondro. Ireo izay voamarina ihany no misy ny Medaly voamarina.

4.12. Ny mpikambana dia afaka mamafy ny kaontiny amin’ny fotoana rehetra. Mifafa daholo aorinan’izay ny mahakasika azy ato amin’ny Bararata.

4.13. Ny sarimihetsika di any mpikambana Pro ihany no afaka mijery samihetsika mandritry ny fotoana mampandeha ny kaontiny Pro. Ny sarimehitsika hita ato amin’ny Bararata dia tsy ny Bararata no miandraikitra ny “serveur’ hitoeran’izany. Ny sarimihetsika rehetra dia zarain’ny mpikambana sasany ato amin’ny Bararata, tsy tompon’andraikitra ny Bararata amin’izay tsy fahazoan-dalana rehetra. Afaka manao fitarainana ny tompon’izany mba hanesorana azy ao amin’ny Bararata amin’ny alalan’ny mailaka: [email protected]


5 Takiana amin’mpikambana

 

Rehefa mampiasa ny Bararata ny mpikambana iray dia tsy maintsy manaraka sy manaiky ireto:

5.1. Mba ahatonga ny fanarahan-dalana rehetra, mba ahatonga ny mombamomba ny mpikambana ho marina sy manaraka ny toetr’andro.
Araka ny andininy 4.1 dia raha tsikaritra fa misy fidirana tsy nahazoana alalana ao amin’ny kaontinao dia mila mampilaza haingana ny Bararata ianao.

5.2. Tsy azo atao ny mamorona kaonty tsy tena izy ho anao na ho an’ny olona hafa.

5.3. Tsy azo atao ny mampiasa ny mombamomban’ny olona hafa, na inona antony na inona antony.

5.4. Tsy azo atao ny manameloka olona hafa tsy misy porofo, indrindra raha tsy mbola voaheloky ny Fanjakana mahefa.

5.5. Tsy azo atao ny mandefa zavatra mandratra ny hafa, manompa, na amin’ny seho izany na amin’ny hafatra miafina; ka hanimba ny voninahiny na ny asa ataony.

5.6. Tsy azo atao ny misoloky sy mandefa tolotra tsy marina.

5.7. Ny rehetra dia takiana hanaja ny zon’ny ankizy:
a) Tsy handefa teny tsy mendrika (Ompa)
b) Tsy handefa sary na soratra mamoafady.
(d) Tsy aseho seho tsy manaja ny maha-olona

 

5.7. Ny Bararata dia manaiky ny fahasamihafana ary manaja izany, na ara-pomba na ara-pivavahana na ara-pihaviana, na ara-politika, na toe-batan’ny hafa, na toe-pahasalaman’ny: Ny fifandrafiana amin'ireo dia andraisan'ny Bararata fanampahan-kevitra. Kanefa, ny Bararata dia tsy manaiky ny ivelan'ny natiora, ny toy fanambadian'ny mitovy fananahana, fiarahana amin'ny biby na koa zavatra tsy manan'aina: Voafafa avy hatrany ny fandefasana ireo ary mety hitarika amin'ny fanidihana maharitra ilay mpikambana.

5.8. Tsy azo atao ny maneho na mivarotra zava-mahadomelina na ireo izay mifandray amin’ny Heloka bevava rehetra.

5.9. Takiana ny fanajan’ny hafa sy ny soatoavina maha-Malagasy

5.10. Tsy azo ny mivarotra na mandefa zavatra voaaro.

5.11. Tsy azo atao ny mampiasa ireo rindra Bararata atao amin’ny tsy tokony ho izy: SPAM, Mandefa hafatra misesisey, mailaka marobe, mampiakatra isa, mampiakatra olona mahita ny video, sns. Ny fampiasana ny Bararata dia hampiasaina amin’ny fifandraisana ara-drariny.

5.12. Tsy azo atao ny mametraka, mandefa, mizara, manao zavatra misy “virus”, trojans, sy ireo konja hanimba ato amin’ny Bararata.

5.13. Tsy azo atao ny mandefa script mandeha ho azy mba hankana vaovao, na mombamomban’ny mpikambana ato amin’ny Bararata, indrindra ireo tsy nahazoana alalana.

5.14. Tsy azo atao ny maneho seho manohatra tsy mitondra voka-tsoa ny fitsipika mifehy sy ny fomba fitondrana ny Bararata, ireo fitsipika rehetra dia natao ho tombontsoa iraisan’ny mpikambana rehetra.

5.15. Raha toa ka misy fitsipika tsy mety amin’ny mpikambana dia afaka mandefa hafatra aty amin’ny Bararata izy hanatsarana ny Bararata.

5.7. Mila fangatahina manonkana ho an’izay maniry hampiasa ny API Bararata.

 

6 – Ny fetran’ny Bararata

Ny Bararata, isan’izany ny Tranokala, Application sy ireo izay ao anatiny dia natao ho an’ny rehetra. Tsy mpandrindra ny Bararata dia tsy manome antoka ny fahafaham-pon’ny tsirairay, fa kosa miezaka hatrany ny ho tsy mitanila amin’ny tsirairay.
Ny Bararata dia misy fotoana ho tapaka fotoana fohy, na lava ho fanatsarana ny tolotra.

Ny mpandrindra ny Bararata dia afaka manova ity fitsipika ity amin’ny fotoana rehetra.

Novaina farany: 01 Jolay 2022

Ny rehetra dia afaka mifandray aminay eto: https://www.bararata.com/contacts